<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L.M. Linderman</author>
<hymn_number>119</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Hianao, ry Tompon'aiko,
 Maty noho ny otako,
 Tsy mba takatry ny saiko
 Izany fijalianao
 Nefa sitrakao nijaly
 Hahazoako mifaly ;
 Ry Jesosy, Hianao
 No isaorako izao !

[V2]
 Safotry ny fandatsana
 Hianao, Mpanavotra
 Handovako fanjakana
 Feno voninahitra.
 Voaratra, voaeso,
 Ary voasatro-tsilo
 Noho ny hadisoako,
 Koa dia isaorako !

[V3]
 Tianao izahay mpanota,
 Helokay no nentinao ;
 Resinao ny tambin'ota
 Izahay nafahanao ;
 Voaloanao ny trosa.
 Izahay mpanota kosa,
 Tonga olom-potsinao,
 Ka derainay Hianao !</lyrics>
<title>Hianao ry Tompon'aiko FFPM119</title>
</song>